SAMPANA MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA

Hanatsara hatrany ny fanabeazana ireo tanora zazavavy


  • Talata 12 Aogositra 2025

Manatanteraka ilay Tafasiry Nasionaly Anoka 2025 any Antsirabe,

renivohitr'i Vakinankaratra ny fikambanana Mpanazava eto Madagasikara. Lohahevitra hitondrana ny hetsika ny hoe : Ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'i Tompo. Fotoana iray entina hanatsarana ny fanabeazana voizin'ny Mpanazava Eto Madagasikara ny Tafasiry Nasionaly raha tsiahivina, tanora tovovavy eo anivon'ny fiangonana FJKM . Misy araka izany ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra, ary indrindra fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisina hanatsarana ny famolavolana sy fanabeazana ireo mpikambana. Manatrika izany ireo mpanabe manodidina ny 450 isa, ahitana ireo Sampana Mena, Mpiandraikitra, Filoha ary Foibe.Omaly Alatsinainy 11 Aogositra no nanokafana tamim-pomba ofisialy ny hetsika tao amin'ny Domaine Notre Dame de la Salette Antsahasoa Antsirabe. Tao anatin'ny hafaliana sy fihetseham-po no niainana izany hoy ny vaovao. Saika voasolo tena avokoa mantsy ireo faritany 32 ijoroan'ny fikambanana. Tonga nanotrona ireo zoky eo anivon'ny fikambanana ireo mpanohana sy mpiara-miasa avy ao amin'ny Faritany Vakinankaratra.
Pati
Légende : Nandritra ny fanokafana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT