Finoana

Sampana fivondronana laika FJKM Hikarakara lalao entina hitoriana ny filazantsara


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Hikarakara lalao goavana entina hitoriana ny filazantsara ny Sampana Fivondronana Laika eo anivon’ny fiangonana FJKM.

Lalao Matio 111 no anarana nampitondraina azy io ka lohahevitra miisa telo no toriana amin’izany mba hahazoan’ny vahoakan’Andriamanitra ny dikany sy ny fomba iainana azy. Anisan’ireny ny voasoratra ao amin’ny Matio 5:4 b izay teny fanevan’ny laika  manao hoe : Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? Toraka izany koa ny ao amin’ny I Korintian 14/12  manao hoe : Raha fanta-paniry ny zava-panahy  dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra sy ny hoe : Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ao amin’ny II Timo 1/8. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafahana mitory ny tenin’Andriamanitra amin’ny fomba vaovao mbola tsy misy mpanao mihitsy. Tarika iray na roa isaky ny Sydodam-paritany no raisina, ahitana olona telo hatramin’ny enina ao anatiny ary misy mpiofana na efa niofana sefala ny telo. Ny 16 ka hatramin’ny 27 oktobra lasa teo ny fisoratana anarana eo anivon’ny vondro-paritany laika. Ny 30 novambra ho avy izao no tonga eny amin’ny foibe ireo mpandray anjara handray ny toromarika rehetra mialoha ny 16 desambra hanaovana ny lalao manasa-dalana ao Antsahamanitra raha ny 21 desambra kosa no dingana famaranana.  Ekipa miisa telo samihafa no hotolorana loka amin’izany ka antsoina hoe : Matio 111 volamena ny laharana voalohany, Matio 111 volafotsy ny laharana faharoa ary ny Matio 111 alimo ny laharana fahatelo. Tsiahivina moa fa tsy maintsy misy anarana eo anoloan’ilay laharan’ny tenin’Andriamanitra toa ilay Matio voalaza etsy ambony ary anjaran’ny mpandray anjara ny milalao ny tarehimarika aorian’izany hahafahana mampita hafatra mafonja amin’ireo mpino.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT