Finoana

Sampana Fifohazana foibe FJKM Hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe etsy Mahamasina


  • Zoma 02 Jona 2017

Fotoan-dehibe ho an’ny Sampana Fifohazana eo anivon’ny foibe FJKM ny datin’ny 09 Jona. Tamin’ny 09 Jona 1895 mantsy no niteny tamin’ny hovitrovitra tamin’i dada Rainisoalambo tao amin’ny toby Soatanana izay niara-nivory tamin’ireo mpianany 12 lahy ny Tompo

fa mila mitory ny fibebahana izy ireo. Nirakitra ho tantara goavana  teo amin’ny  fiainan’ny SAFIF FJKM io daty io noho izany, antony hanatanterahan’izy ireo hetsika goavam-be etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny 09 Jona ho avy izao. Hiavaka tsy toy ny mahazatra ny fotoana, raha araka ny tafa nifanaovan’ny sampana tamin’ny mpanao gazety omaly. Hisy mantsy ny vavaka fangatahim-pitahiana ho an’ny tsirairay, indrindra fa ireo marary sy manana olana. Hisy ihany koa ny fanasitranana sy  fampibebahana arahin’ny rindran-kira ara-pilazantsara goavam-be iarahana amin’ny tarika Christophe Ratrema, ireo sampana fifohazana zandriny…. Hotanterahina amin’io andro io ihany koa raha araka ny fanazavan’ny pastera Robison Lalaina Johary, izay tonian’ny sampana SAFIF FJKM ireo komity handray an-tanana ny asa fanitarana ny trano eo anivon’ny kolejy teolojika eny Ivato. Raha fianakaviana miisa 12 mantsy no zakan’ity trano ity ankehitriny dia ezahina hasiana rihina hahazaka fianakaviana 10 isa hafa indray izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT