Finoana

Sampana fifohazana FJKM Hanatanteraka vavaka sy fifadian-kanina ho an’ny firenena


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Hanatanteraka vavaka sy fifadian-kanina ho fangataham-pitahiana ho an’ny firenena ny sampana fifohazana eo anivon’ny fiangonana Fjkm. Ny sabotsy 23 jona ho avy izao no hanatontosana izany etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina.

  Ankoatra ny vavaka ho an’ny firenena dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana  ihany koa ny fahatsiarovana ny datin’ny 9 jona, hoy Atoa Robinson Radolalaina Johary, tonian’ny sampana fifohazana. Tamin’io daty io mantsy tany amin’ny 123 taona lasa no nisian’ny fifohazam-panahy lehibe teto  Madagasikara ka nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ireo mpianatry ny Tompo 13 mianadahy tao Soatanana.  Anisan'ireny i Dada Rainisoalambo, raha araka ny fanazavana azo. Vavaka, fanokanana mpiandry, toriteny ary rindran-kira fiderana no entina hanamarihana io fotoan-dehibe io koa iantsoana ny mpino rehetra.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT