Finoana

Sampana dorkasy foibe Fandrosoana ny mahay mamaky teny, manoratra ary mikajy


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Notontosaina herinandro lasa teo ny atrikasa fampitana fahalalana iadiana amin’ny habadoana nokarakarain’ny sampana dorkasy foibe nandritra ny 5 andro teny amin’ny Tabita Ampandrana.

 

Nasaina handray anjara tamin’io fampiofanana taona 2017 io avokoa ireo solontena avy amin’ny synodam-paritany rehetra manerana an’i Madagasikara toy ny efa nahazatra hatramin’ny taona 2004. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia ny «vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara» ity fandraisana andraikitry ny sampana dorkasy foibe hanofana mpampiofana hanampiana manokana ny vehivavy Malagasy 15 taona no miakatra izay mbola lasibatry ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy. Tanjona lavitr’ezaka kosa ny fanomezan-tanana ireo olon-dehibe sahirana marobe niangaran’ny vintana tsy nanovo fahalalana tany an-tsekoly manerana ny firenena miainga eny anivon’ny fokontany sy fiangonana. Resy lahatra tanteraka moa ireto mpikambana dorkasy mpiofana ho mpampiofana ireto fa fanoitra fototra hisian’ny fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina Malagasy ny fifehezana mamaky teny, manoratra ary mikajy.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT