Finoana

Sambava Nakaton’ny fanjakana ny Fiangonana FLM


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Vahaolan’ny tsy te hisahirana no noraisin’ny Fanjakana dia ny fanakatonana ny Fiangonana, mandra-pisy fandaminana ny raharahan’ny Fiangonana FLM Ampandrozonana ao Sambava

 

. Tamin’ny alakamisy no nilatsaka ny didy avy amin’ny Prefen’i SAVA hanakatonana ity fiangonana ity ary tsy azo nampiasaina hatramin’ny tokotany. Vokatr’io fandrarana io dia tsy azon’ny mpino loterana nidirana ny fiangonana omaly alahady, hany ka nizara roa ny mpiangona. Ny ampahany nanangana “hangar” teny amin’ny 60m miala ny fiangonana ary tao no nivavaka omaly. Ny ampahany hafa indray nindrana trano tany amin’ny Cercle Franco-Malagasy.

Malahelo ny mpino loterana manoloana izao toe-javatra izao, fa lasa itsabahan’ny fanjakana ny raharahan’ny Fiangonana, izay mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Misy loharanom-baovao milaza fa niainga teny Mahazoarivo teny ny tsindry, nitarika tamin’ny fandraisana io fepetra fanakatonana Fiangonana io. Tsiahivina fa Pastora mandà ny famindran-toerana nataon’ny synaodam-paritany no niandohan’ity raharaha FLM Ampandrozonana ity, efa ho iray volana izao. Araka ny fantatra dia ho anisan’ny lahadinika amin’ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synaoda Loterana) hatao any Toliara ny 6 sy 7 novambra 2015 io raharahan’ny FLM Sambava io. Etsy an-kilan’izay anefa milaza ny hitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny komitim-piangonana.

Jean D.

Tsy azon’ny mpino Loterana idirana ity fiangonana ity nanomboka ny alakamisy 15 oktobra 2015

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT