Finoana

Sambatra 2014 Amin’ny oktobra any Mananjary


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Fomba amam-panao an’ny Foko Antembahoaka sady mampalaza azy erantany ny «sambatra» izay famorana faobe ireo zazalahy teraka taorian’ny andiany farany. Isaky ny fito taona no misy ny sambatra izay tanterahana any Mananjary.

 Amin’ity taona 2014 ity indray ny andiany manaraka ka amin’ny volana oktobra izao no fotoana voatondro. Iray volana maninjitra ny faharetany ka samy mihazo ny tany fiaviana avokoa ireo zanaka Antembahoaka amin’io fotoana io na aiza na aiza misy azy ka manana ny enti-manana hamonjena ilay kolontsaina rakitry ny ela. Raha ny fanazavana dia fomba fandraisana ny zazalahy ho anisan’ny mpikambana feno ao amin’ny fianakaviamben’ny Antembahoaka ny Sambatra. Sambany tafiditra amin’ny «Tranobe» mantsy ireo zazalahy vao vita hasoavana. Tena vakoka mbola voatahiry sy miampita amin’ny taranaka mifandimby ity fomba amam-panao ity saingy misy ihany ny fitandremana, indrindra momba ireo fitaovana enti-manatanteraka ny famoran-jaza izay tokony hodiovina sady voaara-mason’ny mpitsabo hisorohana ny mety fisian’ny mikraoba na koa fifindran’ny valanaretina. Mila mahafantatra koa ny mpitana ity fomba nentin-drazana ity fa misy karazan’olona sasany manana toe-tena voajanahary mijininika tsy mety mijanona ny ra raha vao misy ratra kely. Fanafody lafo vidy sady zara raha misy eto amintsika no hany fanafana ka mila fahamailoana be dia be izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT