Finoana

Sahy maty


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Nanaitra sady nahalasa fisainana ihany ilay fanafihana ny tranon’ny lehiben’ny Service Anti Gang na SAG teny Androhibe ny zoma lasa teo.

 Hita fa efa tena sahy maty mihitsy ireo jiolahy eto amintsika amin’izao fotoana. Hatramin’ny lehiben’ny polisy mpanenjika azy ireo mihitsy no notafihany. Mbola tsaroana ny famonoana feno habibiana nataon’andian’olona ny jeneraly Ramananarivo Claude mianakavy teny Mandroseza. Mby tonga ao an-tsaina ilay tononkiran’ny tarika Mahaleo manao hoe : « ny tany ve no ratsy, sa ny olona no efa lany vatsy... »satria tena mirongatra aok’izany ny fanafihana mitam-basy, famonoan’olona, fakana an-keriny eto amintsika tato anatin’izao krizy izao. Nitombo nanaraka an’io ihany koa ny mamono tena na manao herisetra amin’ny ao an-tokantranony ihany. Ahoana moa izany no hampilamin-tsaina ny vahoaka tsotra, raha toa ka mpitsara am-perinasa tahaka ny tany Toliara no misy mamono, na koa hoe tranona manamboninahitra no misy sahy manafika ? Mipetraka ny fanontaniana eto : mbola voafehin’ny zandary sy ny polisy ihany ve ny fitandroana ny filaminana ? Marina mihitsy fa tsy kely lalana ny ratsy, saingy araka ny tenin’ny jeneraly Richard Ravalomanana dia hoe matihanina, mahay ny asany ary tsy atoron’iza n’iza amin’izany, ny mpitandro ny filaminana.

Maro no mieritreritra ankehitriny, fa tonga ny fotoana tena hampisehoan’ny mpitandro ny filaminana Malagasy amin’izay, ny tena maha matihanina azy ireo. Tokony hisy ny paikady manokana hamongorana ny asan-jiolahy, ny fitaovana rahateo mba misimisy ihany ny eo am-pelatanana. Raha tahaka ny mitranga isaky ny sabotsy eny Ambohijatovo sy Analakely ireny ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana, any amin’ireo faritra mafampana amin’ny resaka asan-jiolahy, vaky trano sy fanolanana, dia azo antoka fa hihena be ny asa ratsy eto amintsika. Efa mazava fa tany tsy milamina ny eto, koa raha ny tokony ho izy izany, dia paikady manokana mihitsy no ampiharin’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy mionona amin’ny fomba fanao mahazatra hatramin’izay fotsiny e ! Efa tena zava-doza miteraka fikorontanan-tsaina ho an’ny olom-pirenena ny trakta fampandrenesana aparitaky ny jiolahy etsy sy eroa, izao ka dia ny olona anisan’ny tena henjana ao amin’ny polisim-pirenena no voatafika sy voaroba. Mila mihetsika ny mpitandro ny filaminana satria efa tena sahy maty ka mifono lambamena mihitsy ny jiolahy eto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT