Finoana

SAFIF SPAA 10 FJKM Miantso ny mpino handray andraikitra


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Niangavy ny mpino Kristianina hitrotro amim-bavaka ny Firenena sy ny Fiangonana manoloana izao vanim-potoana sarotra lalovantsika izao omaly ny

 

 

 

 

 

avy eo anivon’ny SAFIF SP AA10 na sampan’asa fitoriana ny filazantsara synaodam-paritany Antananarivo andrefana eo anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Mampahatsiahy antsika mba hanohana hatrany ny madiniky ny Tompo eny amin'ny Toby ka hanatitra sakafo sy filana an-davan’andro na PPN ary izay azon'ny isam-pitandremana sy isam-batanolona atao. Fantatra ny fahasahiranantsika rehetra nefa tsarovy ny iray tam-po amintsika, hoy hatrany ny SAFIF. Enga anie mba tsy ho amintsika ny fanontaniana ao amin’ny Jaona voalohany 3:17 hoe ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? Fa irina kosa ianao handray ny hafatry ny Soratra Masina hoe Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao, izay voasoratra ao amin’ny Baiboly hatrany ao amin’ny Samoela voaloha 10:7, hoy hatrany ny hafatra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT