Mbola betsaka ihany koa ireo mpitondra fivavahana isaky ny andro sabotsy no ho afa-baraka noho ny hatezeran’Andriamanitra.
Araka ny nambarany dia efa nikasa ny handringana antsika teto Madagasikara Andriamanitra nandritra ny fotoana nandalovan’ny rivodoza farany teo tany atsimo noho ny tsy fahitany olo-marina na dia iray aza teto amin’ny firenena. Tao anatin’izay indrindra no nifonan’i Jesoa ka nanirahan’Andriamanitra io zanany lahitokana io nidina tety ambonin’ny tany nitady olo-marina ka anisan’izany izy izay efa maty telo andro sy telo alina nanomboka ny 27 janoary taona 2013 lasa teo. Hafatra nampitain’i Jesoa tamin’ny Soeur Fabiola nandritra izany ny mba hitoriana ny didy folon’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra mba hahazoana ny fanjakan’Andriamanitra. Ankoatra izay, nampahitan’i Jesoa azy koa ny helo misy ireo olona efa lasa nodimandry izay hanin’ny kankana sy ny holitra.
Olona marobe no hitany tamin’izany. Anisan’ny nampita hafatra taminy ireo mpanao politika teto amintsika izay samy nilaza fa zava-poana ny fananana harena sy voninahitra fa ny olona mivavaka no tena sambatra. Ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra toy ny pasitera indray dia nampahitan’Andriamanitra fiangonana maro ny Soeur Fabiola ka namoahan’i Jesoa ireo mpino marobe tao am-piangonana nivoaka noho ny tsy fananan’ireo mpitarika fahamarinana sy fahamasinana. Mikasika ny lafiny ara-politika kosa indray dia nampahitan’i Jesoa olona maromaro hilatsaka hofidiana ny Soeur Fabiola saingy nambaran’i Jesoa fa fandaniam-bola fotsiny ihany ny an’ireo olona ireo fa hametraka olona tena mahatoky sy hivavaka Izy raha mibebaka ny Malagasy rehetra mba hahatonga an’i Madagasikara ho fanjakam-pisorona sy firenena masina. Ampahany amin’ireo hafatra hampitain’ny Soeur Fabiola amin’ny vahoakan’Antananarivo ireo ny alahady 07 Aprily 2013 ho avy izao etsy Antsahamanitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.