Finoana

Roger Randriamorasata Mankalaza ny faha-25 taona naha mpitandrina azy


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Noho ny fankalazana ny faha-25 naha mpitandrina ny pastera Roger Randriamorasata teo amin’ny sahan’ny Fjkm dia misy ireo hetsika tanterahana amin’ity herinandro ity...

Eo aloha ny fotoana hiarahana amin’ny sinodam-paritany ny alakamisy 3 jolay amin’ny 9 ora maraina. Manaraka izay dia hisy ny fanompoam-pivavahana lehibe iarahana amin’ny zanaky ny Fiangonana sy ny zanaka am-pielezana. Eny amin’ny Fjkm Ambohimamory Malala Orimbato no hanatanterahana ny fotoana rehetra ary hisy ny fiaraha-misakafo aorian’ny fanompoam-pivavahana. Lohahevitra hobanjinina mandritra izao ivon’ny fankalazana ny 25 taona izao ny tenin’ny Soratra Masina araka ny hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:24 manao hoe « nefa tsy ataoko zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra ». Anisan’ireo mpamorona sy mpikambana ao amin’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ny mpitandrina Roger Randriamorasata ary diso fantatry ny maro loatra amin’ny fijoroany hatrany hiaro ny rariny sy ny marina. Mpitondra fivavahana sokajian’ny olona sasany fa mahitsy fomba firesaka sy sahy mijoro milaza ny zava-misy marina  izy ary dia ary anisan’ny nanenjehana sy nandrahonana azy izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT