Finoana

Rivotiana Richard Jean Bosco Ahiana ho tapaka ny RN-7


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Ahiana ho tapaka ny lalam-pirenena faha-7 raha tsy voajerin’ny fanjakana haingana ny eo amin’ny fihaonan-dalana Mananjary-Tanà-Fianarantsoa izay efa simba no mbola niampy ny sikilaonina indray, hoy ny depiote Rivotiana Richar Jean Bosco voafidy tany amin’ny distrikan’i Lalangiana. Maro ihany koa any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana iny miainga any Lalangina no simba avokoa ny trano

sekoly maro ka tsy afaka miditra an- ny kilonga rehetra amin’iny faritra iny. Nambaran’ity depiote ity moa, araka ny maha-filohan’ny kaomision’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana azy fa mafimafy tokoa ny adihevitra mikasika ny fizaram-paritra notakian’ny depiote isanisany narafitra tao anatin’ilay volavolan-dalàna nodinihan-dry zareo ao anatin’ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Na dia niakatrakatra aza ny feo tao Tsimbazaza afak’omaly dia nolanian’ireo solombavambahoaka tonga maro nivory alinalina tamin’ny alatsinainy io volavolan-dalàna io ka eo amin’ny manodidina ny 116 no isan’ny kaominina nolaniana fa hitsangana eto amintsika amin’izao Repoblika faha-4 izao. Nanaraka ny mason-tsivana efa nofaritan’ny ministera mpiahy ny nahazoana io isa io satria teo amin’ny kaominina 90 teo no narafitry ry zareo tao anatin’ilay volavolan-dalàna. Anio alarobia 21 janoary moa no voalaza fa handanian’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna mikasika ny fizaram-paritra eto Antananarivo Renivohitra.

Ntsoavina Evariste

SARY : Depiote Rivotiana Richard Jean Bosco teny Tsimbazaza

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT