Finoana

Rivolala Hiakatra Fitsarana rahampitso


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Haresaka ao Miandrivazo amin’ny alakamisy 21 janoary. Hiakatra fitsarana amin’io andro io i Kohen Rivolala.

Voatazona am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo tamin’ny volana novambra 2015  ity filoha mpanorina ny fiangonana « Foi hébraïque judaïsme messianique devant l'Eternel » ity, izay voarohirohy amina resaka mosavy nampirongatra ny aretina ambalavelona ka nahavoa mpianatra am-polony maro tao amin’ny sekolin-dry masera ao Miandrivazo. Ray aman-dreny maro no nametraka fitoriana noho io toe-javatra nampisahotaka ny iray tanàna io. Nosamborin’ny polisy tao Miandrivazo i Kohen Rivolala, sendra tao an-toerana rahateo ity farany tamin’io. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy taorian’izay. Niara-nidoboka taminy ihany koa ny efa-dahy niara-dia taminy. Nogiazana avy hatrany koa ny fiara 4x4 nentin’izy ireo. Nisy fangatahana fahafahana vonjimaika nataony saingy nolavin’ny Fitsarana izany. Rahampitso izany no hahafantarana ny ho avin’i Kohen Rivolala.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT