Finoana

Rija Rasolondraibe “Ny olona no miova vao mahova an’I Madagasikara”


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Iray amin’ireo mpanakanto mandray anjara amin’ilay hetsika lehibe “Mandresy Madgasikara” ny mpihira ara-pilazantsara Rija Rasolondraibe.

Tafiditra ao anatin’io hetsika io moa ny fitondrana am-bavaka ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. “Zava-dehibe ka izay no nametrahan’ny olona ny stratejia ao anatin’ilay “Mandresy”, ho avy ny fifidianana, ny anton’ny fifidianana dia I Madagasikara. Isika dia miaina amin’ny fanaovana sorona zaza varira, ny politisianina Malagasy dia mandray fahefana avy any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny Malagasy hoentina olona mahazo fahefana avy amin’ny fanahy dia azo lazaina ho manaraka fanahy ny Malagasy. Ny fikarakarana ny hetsika “Mandresy” dia mametraka ny fanahy amin’ny toerana tokony hisy azy eto Madagasikara, izany hoe: mitodika amin’Andriamanitra sy manome toerana an’Andriamanitra mba ahafahany mihaino ny mikasika ny fiainan’ny olombelona”, hoy io mpanakanto io. “Ohatry ny Malagasy rehetra izahay, marary ny fonay, monamonaina amin’ny zavatra mitranga, ka mitady vahaolana dia miantso an’Andriaminitra. Raha izaho manokana dia tsy misy hery hafa azoko itokisana eto ambonin’ity tany ity afatsy izy, Andriamanitra no tadiaviko, ka ny vokatra tsara indrindra dia ny fidirany amin’ny fiainako, hoy ity mpanakanto ara-pilazantsara ity. Noho izany, rehefa mananandratra sy midera an’Andriamanitra izahay dia ny mba ahafahan’ny Malagasy manatona an’Andriamanitra”, hoy hatrany I Rija Rasolondraibe. Momba ny tsangan’olona tokony hitondra ny firenena kosa, dia mila olona matahotra an’Andriamanitra, olona novan’Andriamanitra, olona marina. Ny olona no mila miova izay vao mahova an’I Madagasikara, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanakanto ara-pilazantsara Rija Rasolondraibe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT