Finoana

Ricky Andriamparany “Tsy tena mbola nibebaka isika”


  • Talata 22 Desambra 2020

Ny faminaniana dia fomba iray amoahan’Andriamanitra ny ao am-po sy sainy

 

 

 

mikasika firenena na sehatra iray, hoy ny filohan’ny Antso fiarahamonina Kristianina, Ricky Andriamparany, nanazava ny hifandraisan’izany amin’ireo boky nosoratany hanavotana ny firenena ao anatin’izao toe-draharaha ankehitriny izao. Izany, hoy izy izao, no nataon’Andriamanitra momba an’I Madagasikara. Nandeha teo ny hoe fibebahana faobe sy ny tariny. Izany anefa dia fitaomana antsika hitodika amin’Andriamanitra. Raha ny mikasika ny firenentsika anefa dia misy fanomezana miezinezina be eny an-tanan’Andriamanitra ary ireo no navoaka tamin’ny alalan’ny faminaniana. Iza isika no nandinika ilay faminaniana, izany hoe, mijery ny fiantraikan’izany amin’ny lafiny rehetra? Tsy tena mbola nisy izany teto ary noho izany dia tsy azo lazaina ho tena nibebaka isika, hoy izy. Miankina amin’ny toetran’ny olona ao amin’ny firenena iray, hoy ny fanazavany, no maha tanteraka ny faminaniana na tsia. Raha milaza Andriamanitra fa hisy loza hanjo ilay firenena ka mibebaka mba tsy hisian’izany ny vahoaka ao amin’ilay firenena dia tsy tanteraka iny faminaniana iny. Raha milaza koa anefa ilay faminaniana hoe hanao soa ao amin’ilay firenena kanefa ny vahoaka ao amin’ilay firenena mihataka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy maha tanteraka ny faminaniana koa izany. Ho an’I Madagasikara dia tena manana fikasarana tsara eto Andriamanitra saingy tena hibebaka ve anefa isika, hoy hatrany ny tenany ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT