Finoana

RFF Nivavaka ho an’ny tanindrazana sy ny mpanala fanadinana


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Isan-taona dia manokana andro hangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy ny mpanala fanadinana ny Rantsana Fanabeazana sy Fanatanjahantena (RFF) ao amin’ny FJKM ao Amparibe Famonjena. Tontosa ny Zoma 25 jona teo izany fotoana fangataham-pitahiana izany. Ankoatra ny mpikarakara moa, dia tonga namaly ny antso niara-nisalahy tamin’ny fanafanana ny fotoana ireo antoko mpihira avy amin’ireo fiangonana maro misy eto an-tanàna. Tonga nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny tarika Henri Ratsimbazafy sy ny tarika Raberanto. Nivetso amboaran-tononkalo ihany koa nandritra ny fotoana ny Pasitera Ramino Paul mivady.

Ity no andiany faha-9 amin’ity hetsika karakarain’ny RFF ity. Amin’ny herintaona toy izao indray ny andiany faha-10 araka ny nambaran’ny mpikarakara.
                                                                                                                                      Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT