Finoana

Révérend Médar “Tenin’Anjely fa tsy hoe teny tsy fantatra…”


  • Zoma 23 Septambra 2022

Fanambarana lehibe no ataoko anio, hoy ny mpitondra fivavahana, Medar Rabetombo na Révérend Médar. Misy fahadisoana lehibe ahitsy, hoy izy.

Ny olona zatra milaza hoe vita batisa amin’ny fanahy masina izahay efa miteny amin’ny teny tsy fantatra. Ilay teny hoe teny tsy fantatra dia diso. Tsy ara-baiboly io. Ny fandikan-teny no diso fa fantatra foana ny teny rehetra. Jesosy raha nilaza tamin’ireo apostoly ao amin’ny Marka 16:17 dia hoe “hiteny amin’ny fiteny vaovao izy”. Rehefa tonga ny pentekosta dia nisy lela afo miisa 120 nipetraka tamin’ny lohan’ireo olona niara-nivavaka tamin’ny apostoly dia hoy ny voalaza hoe “niteny tamin’ny fiteny samihafa ireo”. Miisa 16 karazana fiteny teo ireo ary samy naheno izany tamin’ny tenin-drazany avy ireo karazan’olona miisa 16 nandre toriteny teo. Nisy jiosy, nisy libianina, nisy egiptianina sy maro hafa. Avy amin’Andriamanitra izany. Ao amin’ny Asan’ny apostoly 10:46-47 izay nisy ny toritenin’I Petera tamin’I Kornelio dia misy hoe, raha ny dikateny malagasy, “… nandre azy ireo niteny tamin’ny teny tsy fantatra.” nefa ny dikateny anglisy tamin’ny 1611 hoe “… unknown tongue” fa ny dikateny nahitsy faninefany ny taona 1952 dia hoe “… in tongue”. Nanao teny samihafa ry Petera izay nandray voalohany ny fanahy masina fa tsy hoe teny tsy fantatra. Teny fantatra no nataon’ny apostoly. Hafa indray ny tenin’ny anjely. Rehefa misy vavaka ataontsika ka tsy mahay fitenin’anjely ianao dia ny anjely no mitondra iny vavaka iny eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny Apokalipsy 8. Tonga mivantana any amin’Andriamanitra kosa ny vavakao rehefa mahay tenin’anjely ianao, araka ny Korintianina voalohany 14. Isan’ilay teny samihafa koa ny tenin’anjely. Mety ho sakantsakanan’I Satana ny anjely mitondra ny vavakao, raha tsy mahay tenin’anjely ianao. Ohatran’ny an’I Daniela izao 21 andro vao tonga ny valimbavaka. Fitenin’anjely no nanozonako ny Coronavirus sy ny Batsirai ary mbola hanozonako ny aretina rehetra io hanampiako an’i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany, satria mila salama ny malagasy rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT