76 taona izay no nijoroan’ny toby FLM any Ankaramalaza, izay niorina ny taona 1941. Mivelatra amina velaran-tany 18Ha. Miisa 5000 ny mponina, fa tafakatra 2 5000 izany rehefa fotoam-panokanana lehibe, toy ny omaly.
Misy foana ny fanokanana sy fotoan-dehibe mandritra ny fankalazana ny isan-kerintaona, ka mpiandry miisa 430 no natokana. Mahatratra 8810 ny Fiangonana FLM manerana an'i Madagasikara, izay miahy ny toby Amin’izao fotoana izao. Isan’ny niatrika ny lanonan-dehibe tany an-toerana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka nandray azy tamim-pifaliana ny Filohan’ny fiangonana Loteranina ny Pastora Rakotonirina David. Niatrika ny fotoana ihany koa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny vady aman-janany, notronon’ny mpikambana vitsivitsy avy amin’ny governemanta.
“Miezaha mitady fihavananana”
Nifantoka betsaka tamin’ny lozam-pifamoivoizana tany Ankazobe ny lahaten’I Marc Ravalomanana nandritra ny fandraisam-piteneneny. Tsy adinony anefa ny niarahaba ireo rehetra tonga nanatrika ity isan-kerintaona faha-76 ity izy, indrindra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Teo ihany koa ny filoham-pirenena mivady sy ny delegasionina niara-dàlana taminy izay notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Nisaorany ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana nanoloana ny loza niseho tany Ankazobe, izay tsy nampoizina. Tanora avy amin’ny fiangonana FJKM no lasibatra, kanefa dia nifanampy ny rehetra na avy amin’ny fiangonana inona na inona satria famonjena no natao, ka isan’ny lohalaharana I Marc Ravalomanana. Nisaorany manokana kosa ny Minisitry ny fahasalamana tamin’ny fandraisana andraikitra. Na inona na inona mitranga, dia tsy hahasaraka antsika amin’Andriamanitra, ka dia miezaha mandrakariva mitady ny fahasoavan’Andriamanitra, hoy I Marc Ravalomanana. Mikasika ny resabe momba ilay fiara nitera-doza, dia nandefa hafatra toa miantefa amin’ny rehetra na ny vahoaka na ny mpitondra ny filoha teo aloha manoloana ny mety ho fitsarana ivelany na fifanomezan-tsiny be fahatany, ka nilazany hoe tsy anjarantsika mihitsy akory ny mitsara hoe fiara tsy tokony handeha satria misy rihana nefa ny làlana sarotsarotra. Samy maneho ny heviny eo fa tsy anjarako ny mitsara, fa ny azoko resahana fotsiny dia mitandrema fa sao hiala ny fahasoavan’Andriamanitra satria izay no mahatonga antsika ho tratry ny fakam-panahy matetika dia lasa mitsara, lasa manome tsiny ny hafa, hoy izy. Izao no teneniko amintsika foana hoe miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, hoy i Marc Ravalomanana. Ary izay indrindra no hisarihako ny sainareo hoe aoka hitondra am-bavaka satria tsy misy azontsika atao avy aty, ary efa tena nandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana, izay isaorana lehibe dia lehibe, fa dia anjarantsika ny mitondra am-bavaka mba ho fampiononana ny fianakaviana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Nihaona tamin’ny ankolafin’olona maro tany an-toerana moa ny filoha teo nandritra ny diany tany, ka horakora-pifaliana hatrany no nandraisan’ny olona azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.