Na dia tsy be resaka firy aza ny Fjkm dia fantatra fa mandeha tsara ny asa fanorenana eny amin’ny kolejy Teolojika Ivato izay tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.
Zava-dehibe ny fahavitan’io tetikasa goavana mitentina hatrany amin’ny 7 tapitrisa dolara io satria tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fjkm dia ny fanapariahana ny filazantsara manerana an’i Madagasikara. Filoha mitarika ny komity fankalazana ny faha-50 taona Atoa Marc Ravalomanana izay miezaka mitety ireo Synoda 37 sy manazava hatrany amin’ny mpino tafahaona amin’ny maha zava-dehibe ity tetikasa goavana ity. Nifampitaona teny amin’ny Fjkm Ambohimalaza Firaisana Kanàna Vaovao ny sabotsy lasa teo ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa sy ny filohan’ny komity faha-50 taona Marc Ravalomanana, nampiseho ny fahavononan’ny mpitarika sy ny fanamafisana hatrany ny fahamatoran’ny fiaraha-mientana. Fotoana nankalazana ny faha-20 taonan’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana (SPAA 12) moa tamin’io sabotsy io koa dia tafaray teny ny tia sy ny manina. Manamafy hatrany ny maha goavana ny herin’ny finoana i Marc Ravalomanana nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony nisarika ny sain’ny mpino Fjkm ihany koa mba hiray hina sy hifanohana hatrany amin’ny asa rehetra atao. Ny 15 janoary 2017 moa no hanatanteraka fanompoam-pivavahana lehibe eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Fjkm ho fitrotroana am-bavaka ny filohany Irako Ammi Andriamahazosoa mianakavy sy ho fanombohana ny taom-piasana 2017. Madagasikara mbola firenena Kristianina afaka 100 taona no tanjona goavan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara taorian’ny Synoda lehibe notanterahana farany teo tany Antsirabe. Marihina fa anisan’ny antokom-pinoana manana olona maro indrindra eto Madagasikara ny Fjkm ary ahitana ny olony avokoa na any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny sehatry ny fandraharahana sy ny resaka diplaomasia.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.