Finoana

Rasolonirina Robert Mpitandrina Voatendry ho PS Ambatondrazaka-Vaovao


  • Talata 14 Novambra 2017

Avy nitondra fitandremana tany amin’ny synodam-paritany Vonizongo Vavolombelona SP35 ny mpitandrina Rasolonirina Robert,

  

 dia nianavaratra atsinanana voatendry ho PS Ambatondrazaka-Vaovao SP05. Nandritra ny 12 taona no niasany tany amin’ny distrikan’Ankazobe taorian’ny nivoahany ny fakiolte tao Ambatonakanga tamin’ny 2005, ka ny 7 taona nitondrany ny FJKM Mahavelona ary ny 5 taona tao Betela Maritiora Fihaonana.

Raha ny FJKM Betela Maritiora Fihaonana no asian-dresaka, dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-155 taona ny fitandremana ankehitriny. Anisan’ny tsangambaton’ny jobily ny fanitarana ny trano fiangonana, ka azo lazaina fa tontosa ny “galerie” vaovao, ary koa ny fanavaozana ny alitara hifanaraka amin’ny endrika protestanta reforme. Vita koa ny tamboho manodidina ny fiangonana. Ezaka niombonan’ny renifiangonana sy ny zanaka am-pielezana TEFIFIA (Teraky ny Fiangonana Fihaonana) teo ambany fitarihan’Atoa Rasolonirina Robert Mpitandrina mivady no nahatanteraka ny lahasa.

Ampahatsiahivina antsika eto Ambonin’Ampamarinana ve, fa Fihaonana Vonizongo dia loharano nipoiran’ny Maritiora maro teto Madagasikara ? Manan-tantara manokana, sady vavolombelona manaporofo izany ireo zohy voajanahary niafenan’izy ireo nandritra ny fanenjehana sy hazalambo nataon-dRanavalona reniny. Ho fahatsarovana ny tantara tranainy indrindra tamin’izy ireny dia mitondra ny anarana Ramitraho ny sekoly nisy kilasimandry zazavavy sy zazalahy tao amin’ny Stasiona MPF Amboniavaratra. Namolavola sy namoaka olomanga maro teto amin’ ny firenena ny sekoly protestanta Amboniavaratra Fihaonana.

Ny alahady 19 novambira 2017 no nanao veloma an’i Pasitera Rasolonirina Robert mivady tao amin’ny Lycée Technique du Génie Civil etsy Mahamasina ny TEFIFIA. Ny alahady 10 desambra 2017 kosa, izay ivon’ny fankalazana ny faha-155 taona, ny lanonana hanaovan’ny Renifiangonana veloma azy mianakavy any Fihaonana. Mirary ny hahatontosan’ny Mpitandrina Rasolonirina Robert, PS Ambatondrazaka-Vaovao SP35 ny andraikitra mavesatra nankinin’ny Tompo taminy ny GTV Tsimihatsaka Ambonin’Ampamarinana.

Razaka Oliva 

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT