Finoana

Rasendrahasina Lala “Tsy miova ny tetiandron’ny fampihavanam-pirenena”


  • Talata 10 Febroary 2015

Miroso mangina ny fanomanana ny dinika momba ny fampihavanam-pirenena hatao any amin’ny Faritra. “Tsy hampiova ny tetiandro efa novinavinaina ny toetr’andro”, hoy ny filoha am-perinasan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina

 

tamin’ny resaka fohy nifanaovana taminy. “Ezahina hovitaina amin’ny volana martsa avokoa na ny dinika any amin’ny Faritra na ny dinika nasionaly”, hoy izy nanamafy. Araka ny fantatra dia miasa mangina, manomana ny fomba hanatanterahana izany ny vaomiera teknika amin’ity herinandro ity, toy ny hatao ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina anio. Tsy mbola ato ho ato kosa ny fampihaonana indray ireo filoha dimy ; tsy eto an-toerana rahateo ny sasany amin’izy ireo. Vao lasa any Frantsa ny alin’ny sabotsy teo ny amiraly Didier Ratsiraka, mbola any ivelany any ihany koa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT