Nisahotakotaka ny mpino kristianina ao amin’ny Fjkm Ambohimamory Malala Orimbato sy ny fokonolona eny an-toerana nanomboka omaly hariva mandrak’alina amin’ny nafitsoky ny mpitandro ny filaminana mamo nampihorohoro teny.
Efa-dahy no niaraka, ny roa nanao fanamiana miaramila ary ny roa hafa nanao fanamiana sivily. Nanery ny olona hanidy ny trano fivarotany sy ny tranony izy ireo, ary tsy vitan’izany fa nitabataba teo ambavahadin’ny fiangonana Fjkm ihany koa. Maro ireo tsy nahatsindry fo teo anatrehan’izany fisehon-javatra izany. Nisintaka ireo mpitandro ny filaminana ireo, nefa nanao tampody fohy nanao andiany sy be fihavy toa nikasa ny hisambotra ny mpitandrina Randriamisata Roger, mpitarika ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, araka ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. Fa inona no antony, atahoran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sa manelingelina azy ? Mpitandrina hentitra sy mahitsy teny rahateo izy. Saika ny Randriamisata Roger ihany koa no mpamaky ny hafatry ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana sy manazava ny votoatin’izany isaky ny misy hetsika tanterahina, hafatra izay matetika no mamotsipotsitra sy mamaky bantsilana ny tsy fahamarinana miseho eto amin’ny firenena. Na izany aza dia, tsy nanaiky mora izany ny kristianina sy ny fokonolona teny an-toerana fa nanao manda fiarovana ny fiangonana sy nivonona amin’izay zavatra mety hitranga rehetra nandritra ny alina tontolo. Pasitera mianakavy rahateo tsy niala vehana, izy rahateo vao avy nandray anjara tamin’ny fampahafantarana ny asa fifamelan-keloka hampifanantonana ny ankolafy politika efatra kasain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hatao amin’ny 22 aprily izao. Tsy ny teny an-toerana ihany fa nifandrimbona nanampy ireo vahoaka teny an-toerana ny kristianina manodidina. Hatramin’ny folo ora alina dia mbola nisy fiara 4x4 telo sy fiara kely kangoo feno miaramila nihaodihaody teny manodidina. Nanao rodobe nankahery ity mpitondra fivavahana ity sy ny ankohonany ny solontena avy amin’ny foibe Fjkm sy ireo namany eo anivon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.