Finoana

Randriamisata Roger, Mpitandrina Indroa nisy nanafika ny alin’ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Nisy andian’olona nanafika ny tokantranon-dRandriamisata Roger, mpitandrina, ao amin’ny FJKM Ambohimamory.

Indroa nisesy no nisehoany ny alin’ny sabotsy 13 martsa teo. Tamin’ny enina ora sy sasany hariva ny voalohany, ary niverina indray tamin’ny 11 ora alina. Asan-jiolahy sa fampihorohoroana ? Nitondra fiara Peugeot 405 ny jiolahy, roa raha ny vaovao re voalohany, izay nilaza tsy am-pihambahambana fa hamono an’ity mpitandrina mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ity. Tao an-trano ny tenany tamin’io fotoana io. Tsy nipetra-potsiny ny mponina eny an-toerana fa niditra an-tsehatra nanakana ny teti-dratsin’ireo andian’olona ireo. Nisy ny nentanim-po ka namotika ny fiara nentin’izy ireo, ny sasany nanisy tohana tsy hahafahan’ilay fiara mihetsika. Nampandrenesina ny fisehon-javatra ny zandary. Manao mandatehezana amin’izay mety hitranga kosa ny kristianina eny an-toerana.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT