Finoana

Randram-peo fiderana Hidera an’Andriamanitra noho ny faha-5 taonany


  • Zoma 02 Jona 2023

Feno 5 taona katroka ny nijoroan’ny antoko mpihira Randram-peo Fiderana hivondronan’ireo antoko mpihira miisa 5 dia ny KT Ambatovinaky, ny Koraita Manarintsoa Finoana,

ny Kerobima Ankatso, ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana ary ny Ampifitia Isotry Fitiavana. Ho fanamarihana izany dia hisy ny rindran-kira lehibe antsoina hoe : Mega Concert Evangélique hotanterahin’izy ireo amin’ny alahady 04 jona ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Midera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Hanomboka amin’ny 02 ora folakandro ny fampisehoana raha anisan’ny teny faneva nofidian’izy ireo kosa ny hoe : Ka ho reharehanay ny fiderana Anao. 3.000 Ar ny vidim-pidirana amin’izany ho an’ny tapakila tsotra raha 10.000 kosa ho an’ny taratasy fanasana. Ho an’ny Randrampeo manokana dia hanaovana ilay enregistrement hira sy hanatontosana rindran-kira ary hanomanana sy handavorariana ilay tournée evangelique any Toamasina hatao amin’ny taona 2024 ho avy io ny vola azo amin’izany raha sitrapon’Andriamanitra. Marihina moa fa hohirain’ireo antoko mpihira ireo mandritra io fotoana io avokoa ireo karazan-kira fiderana an’Andriamanitra nahafantarana azy hatramin’izay. Hanakoako araka izany ny ao amin’ny Coliseum Antsonjombe amin’ny Alahady ho avy izao, izay vanim-potoana hankalazana ny fetin’ny Reny ihany koa amin’ity taona 2023 ity. Hisy ny mandritra ny fampisehoana ny fivarotana amin’ny vidiny morary ny rakin-tsary Randrankira 1 sy ireo karazana kojakoja an’ny Randrampeo Fiderana. Toraka izany ihany koa ny CD, ny DVD, ….
Pati
Legende : Ireo mpikarakara ny hetsika nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT