Finoana

Rajaonarimampianina sy Ravalomanana Tafaraka tany Ankaramalaza


  • Alakamisy 04 Aogositra 2016

Tafaraka tany amin’ny Toby Masin’ny FLM tany Ankaramalaza distrikan’i Manakara, ny talata 2 aogositra 2016, nandritra ny fotoam-pamaranana ny jobily fankalazana ny faha-75 taonan’ity Toby Loterana naorin’i Nenilava na i Volahavana Germaine ity,

  ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha lefitry ny Fiangonana FJKM Marc Ravalomanana. Samy fanomezam-boninahitra ny Fiangonana Loterana no antony nahatongavan’izy ireo tany. Nisongadina tamin’ny hafatra nampitain’ny filoha lefitry ny FJKM ny tokony hanajan’ny mpino rehetra ny fitondrana misy eto amintsika ankehitriny sy ny tsy hihatsarahambelatsihy fa samy Kristianina. Nisy moa, araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, ny vavaka manokana nataon-dRavalomanana Marc ho an’ny firenena malagasy sy ho an’ny filoha Hery Rajaonimampianina manokana. Marihana fa amin’ny volana septambra izao indray ny fihaonana manaraka ho an’ny Fiangonana Loterana any Antsirabe hifidy ny filoha vaovao hanolo toerana an’i  Dr Endor Modeste izay handeha hisotro ronono.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT