Finoana

Rajaonarimampianina sy Ravalomanana Any am-piangonana ny ady


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Fifaninanana sa fiomanana ? Voamarika tato ho ato fa mifanontona matetika amina hetsika ara-pinoana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina,

 

 izay toa mitovy tadin-dokanga raha mihaino ny fanehoan-kevitry ny tsirairay, manao pi-maso ny kristianina ho fiomanana ny amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018, hoy indray ny hafa. Atoa Marc Ravalomanana rahateo tsy nanafina fa efa nampahalala io ho firotsahan-kofidiany io. Samy nanatrika ny zaikaben’ny Loteranina tany amin’ny Toby Ankaramalaza izy roalahy. Nitohy tamin’ny Sinaoda lehiben’ny fiangonana FJKM tao Antsirabe farany teo io. Mbola samy nanotrona ny mpino tany amin’ny Toby FLM Farihimena Antsirabe II, ihany koa, saingy ny fotoana no tsy nitovy. Raha hidirana manokana ny mahakasika ny FJKM dia mitana ny toeran’ny Filoha lefitra laika Atoa Marc Ravalomanana ary niara-nisahana ny fampandehanan-draharaha niaraka tamin’ny mpitandrina Zarazaka Jean-Louis nialoha iny Sinaoda lehibe natao tao Antsirabe iny koa lojika ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny raharaha anatin’ny Fiangonana. Tsy manana anjara toerana ao anatin’ity rafi-pitantana ity kosa Atoa Hery Rajaonarimampianina na dia zanaky ny Fiangonana aza. Tsy mahagaga, araka izany, ny fahitana an’Atoa Marc Ravalomanana amin’ny raharaham-piangonana raha toa ka mampametra-panontaniana kosa ny fisisihan’ny Filoha Rajaonarimampianina hitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Fiangonana sy ny resa-pinoana amin’ny ankapobeny. Aiza ho aiza ny fisarahan’ny finoana sy ny fanjakana kanefa ambara fa firenena laika i Madagasikara ?

Mikaoty mpanao politika

Miezaka mametraka ny tenany ny Filoha Rajaonarimampianina raha toa ka efa oloben’ny fiangonana FJKM Atoa Marc Ravalomanana amin’ny naha filoha lefitra azy. Sa manomboka any am-piangonana ny adin’izy roalahy manoloana io fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 io. Betsaka ny mihevitra fa te hisongona an’Atoa Marc Ravalomanana izay ankasitrahan’ny mpino maro tokoa ny filoham-pirenena am-perinasa satria manana olona marobe ity Fiangonana ity. Mandeha mantsy ny feo fa manomana fatratra ny fifidianana amin’ny 2018 ny tenany ka miezaka manangona olona sy manao pi-maso amin’ny Fiangonana. Etsy an-kilany, hita ho miezaka mampiseho hery sy mikaoty mpanao politika ihany koa ireo fiangonana zandriny sasany raha dinihina ny zava-nisy tato ho ato, amin’ny famoriana olona amin’ny toerana malalaka toy ny Coliseum.

                                                                                                                                 Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT