Finoana

Rajaonarimampianina Hanao fitaovana ny FJKM indray


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Fanompoam-pivavahana lehibe tao amin’ny kianja Monisipaly ao Antsiranana omaly alahady 20 aogositra no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny jaobily faha-50 taonan’ny fiangonana FJKM eto Madagasikara sy ny faha-200 taona nidiran’ny Misiona LMS.

Teny faneva noraisina ny hoe “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”, noraisina tao amin’ny II Timoty 1:8/a. Nitarika ny fotoana  ny Filohan’ny fiangonanan FJKM, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, izay nitory sy nivoy hatrany ny fifamelana sy ny fiaraha-mientana ary ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo. Eo ihany koa ny fibebahana sy fitondrantena mendrika amin’ny maha kristianina. Nahatonga solontena niatrika izany ihany koa ny FFKM izay nahitana ny  FLM sy ny Eglizy Katolika. Nanamafy Atoa Marc Ravalomanana filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taona fa zava-dehibe ny fifanomezan-tanana, tsy misy ary tsy hisy ny fangatahana amin’ny resaka ara-bola hananganana ny tsangambaton’ny faha-50 dia ny kolejy Teolojika vaovao eny Ivato hoy izy, fa ny mpino FJKM tsirairay no tokony hahatsapa tena sy hanome amin-kitsim-po ary hirehareha amin’ny maha FJKM azy.Aoka mba ataontsika ao anatin’ny fifanajana kosa anefa ny asa sy ny ezaka rehetra, hoy izy. Santatra am-bavarano ihany ny tany Antsiranana fa mbola ho avy amin’ny herintaona ny fotoan-dehibe any Toamasina ny volana septambra ary eto Antananarivo ny famaranana ny fanamarihana ny faha-50 taona ny volana oktobra 2018.

Misy ambadika

Somary nanaitra kosa ny ampahana kabarin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly tany Antsiranana raha nilaza izy hoe : « isaorana ny ezaka vitanareo tao amin’ny komitin’ny faha-50 taona, ary iriana ianao Atoa Ravalomanana mba haharitra amin’io toerana io fa avelao kosa ho anay ny fitantanana ny firenena… ».Avy eo moa nangataka an’Atoa isany Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana mba hifandray tanana imasom-bahoaka ny filohan’ny FJKM ary dia nifandray tanana tokoa ny roa tonta. Tsy misy maharatsy ny famintranam-pihavanana, saingy nanaitra ihany io lahateny nisy loko politika nataon’ny filoham-pirenena io ary avy eo dia niparitaka ilay sary mifandray tanana.Andro vitsy mialohan’io anefa dia ireny noroahana miaramila tao amin’ny hotely nipetrahany ireny Atoa Marc Ravalomanana mivady satria hoe ilain’ny filoham-pirenena ilay efitrano.Mampanahy ny tranga-javatra tahaka izany satria toa mamofompofona fampiasana ny fiangonana ho fitaovana politika, sanatria.Toa mifangarika sy mifanohitra mantsy ny kabary ambony pilipiotra sy ny fihetsika aty ambadika ary tsaroana eto ny resak’i Marc Ravalomanana herinandro lasa izay tany Toamasina momba ny fampihavanam-pirenena.Hoy indrindra izy tamin’ny mpanao gazety : « tena tsara ny fampihavanana, saingy fampihavanana tena izy tokoa ve ilay atao sa fampihavanana hanakonan-javatra…efa nisy ny fampihavanana notarihan’ny filoham-piangonana saingy mba nankaiza moa ny tohin’izy iny izao ? ». Niantso ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny mpitondra fanjakana mba hibebaka ihany koa nyfilohampirenena nandritra ny kabariny, asa izy raha hisy hihaino.


Toky R sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT