Finoana

Rajao, Ravalo, Rajoelina Atambatry ny finoana, sarahan’ny politika


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Mipetraka ho tantara eo anivon’ny fiangonana katolika eto Madagasikara ny andron’ny omaly 15 martsa nanandratana ho olon-tsambatra an’i Lucien Botovasoa. Nisy ny lamesa lehibe tany an-toerana nandritra izany, ka ny kardinaly Maurice Piat evekan’i Port Louis atsy Maorisy, solontenan’ny Papa ray masina no nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy.

  Mpino an’aliny maro no tonga tany an-toerana ankoatra ireo vahiny manan-kaja isan-tsokajiny, ary samy naneho ny hafaliana satria kihon-dàlana lehibe sy ainga vao ho an’ny finoana katolika iny. Ny Bokim-piangonana ao amin'ny distrikan'i Vohipeno izay misy ny sora-tànana sy soniany no nentina naseho ho solon'ny taolam-balony tamin'izao fanandratana azy ho olon-tsambatra izao satria io no efa neken’ny papa ho solony. Raha ny tantara mantsy, dia nariana nariana navalana rano ny fatiny taorian'ny namonoana azy tamin'ny taona 1947 noho izy nanda ny fanerena azy hivadika tamin’ny finoana, ka hiditra amin’ny politika. Naharitra 5 taona ny fanadihadiana, fa mendrika ny hasandratra ho olon-tsambatra izy ary izao tontosa izao. Niampy iray indray izany ny olon-tsambatra Malagasy taorian’i Victoire Rasoamanarivo sy Frera Louis Rafringa.

Akamban’ny finoana fa sarahan’ny politika

Isan’ny nahazo fanasana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ary ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina. Nihaona tamin’ny vahoaka maro be izay feno hafaliana raha nahita ny fahatongavany tany an-toerana I Marc Ravalomanana. Nisy ihany koa ny fitsidihanay sy ny dinidinika nifanaovany tamin’ny fianakavian’i Lucien Botovasoa. Nahalina ahy ny tantaran-dRamose Lucien Botovasoa satria mifono lesona sy fitiavan-tanindrazana, hoy i Marc Ravalomanana. Ny andron’ny sabotsy ihany koa dia efa nigadona tany an-toerana ny Filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, izay nisy ihany koa ny olona maro nitsena azy. Niara-dia tamin’ny fiaramanidina nitondra ny delegasionina sy oloben’ny fiangonana avy aty an-drenivohitra izy, ka isan’ireny ny Kardinaly Maurice Piat. Tany an-toerana ihany koa ny filoha mivady, ary nihazo ny renivohitra niatrika lanonana ara-panatanjahantena ny filoha ny tolakandro. Matetika no ahitana ireo mpitondra ambony teo aloha sy ankehitriny amin’ny lanonana ara-pinoana tahaka izao. Samy hita teny Mahamasina ny 29 janoary 2017 nandritra ny lanonana notarihin’ny kardinaly Petro Parolin izy 3 lahy. Matetika mifanontona any amin’ny fivahinianana lehibe any Ankaramalaza sy Farihimena i Marc Ravalomanana sy i Hery Rajaonarimampianina. Tena efa atambatry ny finoana, fa sarahin’ny politika. Mba rahoviana re no hihavana sy tsy hifampihatsaravelatsihy intsony ireto mpitondra antsika ireto e?


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT