Finoana

Raharimala Andriampenotiana Fanjakan’Andriamanitra no hamerina amin’ny laoniny ny orana


  • Sabotsy 28 Janoary 2017

Ny G.E.T.M na ny « Groupement pour l’Edification de la Théocratie ŕ Madagasikara » dia mbola mamerina eto indray ireo fanambarana izay nataony an-gazety sy tamin’ny alalan’ny televiziona sy Radio fa tsy mety amintsika Malagasy

izay taranaka avy amin’ny zanak’Israely ny lalàmpanorenana mifototra amin’ny demokrasia. Fa ny mety amintsika kosa, hoy Atoa Raharimala Andriampenotiana filohany dia ny lalàmpanorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra mifototra amin’ny teokrasia, rafi-panjakana izay natolotr’Andriamanitra an’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay. Io lalàmpanorenana io dia tsy foronina fa efa vita ary napetraka ara-panjakana eto Antananarivo ny 28 mey 2010. Efa mihatra amintsika Malagasy ankehitriny ireo ozona maro samihafa izay voalazan’ny Deoteronomia sy Eksodosy toy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto Madagasikara, ny fanjakazakan’ny vahiny eto  amin’ny tanintsika,  ny delestazy, ny fahantrana. Efa tonga eto amintsika koa ny hain-tany ary vao tsy ela akory izay dia tonga koa ny horohorantany. Ny fisian’ireo loza voajanahary ireo dia midika  aminay mpandinika ara-baiboly fa tsy hiverina amin’ny laoniny  mihitsy ny fiavin’io orana io raha tsy voasolo ho Fanjakan’Andriamanitra ny Repoblika faha-4 ary dia hiverina koa ny fandriampahalemana. Hiverina haniry indray eto Madagasikara izay saha Edena tamin’ny andron’i Adama sy Eva fahiny ireo Hazon’aina nesorina ka ny Malagasy no hihinana ny voany voalohany ary dia miverina ho paradisa an-tany toy ny tamin’ny andro teo aloha elabe  indray i Madagasikara.  

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT