Finoana

Raharaham-pirenena Tsy afaka ny hangina ny Katolika


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Mibaribary ny fisian’ny ady mangatsiaka eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana Rajaonarimampianina raha jerena amin’ny zava-misy ankehitriny.

Iaraha-mahalala ny fanairana nataon’ny fivondronamben’ny Eveka manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena afa tsy ny raharaha Soamahamanina. Notsiahivin’i Mompera Ludovic Rabenatoandro omaly ny fehin-kevitry ny fivondronamben’ny Eveka ny volana aogositra amin’ny fahatsapana fa toy ny ondry tsy misy mpiandry ny Malagasy. Arofanina ho an’ny firenena ny Fiangonana ka nohamafisin’ity raiamandreny am-panahy ity fa tsy azo atao ny mangina manoloana ny tsy fetezana eto Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsy ilain’ny fiangonana ny fitondrana eto amin’izao tontolo izao manoloana ilay resaka fanonganam-panjakana toa manasoketa ny fiangonana katolika. Ny fitenenana dia porofon’ny maha raiamandreny am-panahy ary midika ho fiombonana amin’ny tsy mety ny fahanginana raha haravona ny fanehoan-keviny ary nohamafisiny fa efa mihoatra ny fefy ny mahazo ny Malagasy amin’izao fotoana izao.

Tsy mahazaka tsikera

Mazàna dia sokajian’ny mpitondra ho mikendry fanakorontanana izay maneho hevitra amin’ny tokony hanovan’ny mpitondra famindra manoloana ny zavatra tsy mety ataony eto amin’ny firenena. Tsy mahay mihaino ireo maneho hevitra ny fanjakana fa izay miteny dia ambara fa fahavalom-pirenena avokoa. Fandranitana sy fandraisana an-tendrony no misy eto amintsika ka zary antso an’efitra ny fanairana ny mpitondra raha tsy hilaza afa tsy ity mahazo ny Fivondronamben’ny Eveka. Ny raimandreny am-panahy aza omena lamosina sy toa lotoina amina resaka tsy mitombina ankehitriny. Na ahoana na ahoana anefa ambara dia manana anjara toerana goavana amin’ny fiainam-pirenena ny Fiangonana.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT