Finoana

RAHARAHA PASITERA BENJAMINA Hivoaka anio ny didim-pitsarana


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Nifoha tamin’ny fahanginany ry zareo avy eo anivon’ny fiangonana FJTSA7 ( Fiangonan’i Jehovah Tompon’ny Sabata Andro faha-7 ) izay fantatry ny maro amin’ny fiantsoana azy teo aloha hoe FM FOI. Voapanga ho nampiasa taratasy sandoka amin’ny toeram-piangonana tany Fianarantsoa, no sady nanao fanalam-baraka i pasitera Benjamina izay mpitarika azy ireo.

“Nisafidy ny tsy hiloa-bava mihitsy aloha izahay na dia teo aza ny fanapotehana natao tamin’ny fiangonana sy ny pasitera. Amin’ny maha fotoana ivoahan’ny didim-pitsarana ny andro anio anefa  dia tsy hangina amin’izao izahay”, hoy ny fanazavana  nomen’ireo komitim-piangonana foibe, izay nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety. Raha hiverenana kosa ity tranga niampangana ny pasitera Benjamina  izay voatanisa tetsy ambony ity, dia disadisa teo amina mpivavaka tao am-piangonana sy ireo mpitarika no niantombohany. Araka ny fitantaran’ireo solontenan’ny komitim-piangonana dia olona mpanan-karena izay nanana aretina ka sitrana rehefa avy nametrahan-tanana no nanolotra tany ho an’ny fiangonana. Ity tany ity, izay any Fianarantsoa dia natolony maimaimpoana mba hanorenana fiangonana any an-toerana.  Rehefa nisy kosa ny tsy fifankahazoana teo amin’ny fiangonana sy ny fianakavian’ity malalatanana ity taty aoriana,  dia nosintoniny indray ny tany, na dia efa misy fiangonana aza. Vokany, nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fampanoavana ny fiangonana FJTSA7 ary namaly izany tamin’ny fitoriana koa ireo tompon-tany. Tsy izay ihany fa nosintonin’izy ireo ihany koa ny tany izay misy fiangonana. Voatery nakatona ity fiangonana any Fianarantsoa ity, ary nalefa vonjimaika teny amin’ny Fonjan’Antanimora kosa ny Pasitera Benjamina, mpitarika azy raha vao vita ny fotoam-pitsarana, ny herinandro lasa teo. Anio no hivoaka ny didy momba ity raharaha ity ka ho fantatra na hamita sazy eny am-ponja ny Pasitera Benjamina na ho afaka madiodio miaraka amin’ireo mpino miisa telo arivo izay tarihiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT