Finoana

Raharaha METM Mihemotra amin’ny 7 mey ny fitsarana


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Taorian’ny savorovoro niseho teo anivon’ny fiangonana METM foibe sy ny METM Zoara famonjena tetsy Antohomadinika ny 12 martsa teo izay nitarika ny fanakatonan’ny fitondram-panjakana ity vondrom-pivavahana Misiona evanjelikan’ny teratany eto Madagasikara ity dia niakatra fampanoavana tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny talata teo ny raharaha.

 Raha tsiahivina, niandoha tamin’ny fikasan’ny METM foibe hanolo amboletra ny pasitera etsy Antohomadinika, Alain de Neri Andrianantenaina, ny korontana. Tsy ireo mpivavaka ihany anefa no nahazo tombontsoa tamin’ny pasitera fa hatramin’ireo fokonolona, hoy izy ireo. Ny andininy faha-73 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny METM dia milaza fa rehefa mihoatra ny 80 isa ireo mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny fiangonana dia tsy tokony ho anjaran’ny foibe ny manala ny mpitandrina. Amin’ny alalan’ny tsangan-tanana no anapahana hevitra, hoy ny andininy faha-40. Mbola manohy ny fotoam-pivavahany ihany moa ireto Kristianin’ny METM tetsy Antohomadinika ireto raha ny fampitam-baovao na dia nakatona aza ny fiangonana. Ny 7 mey izaho kosa no hiverina hiakatra fitsarana indray ny raharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT