Finoana

Raharaha METM Manambana hitory ny foibe ny fokonolona


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Taorian’ny fanakatonan’ny avy eo anivon’ny prefektiora ny fiangonana METM Zoara Antohomadinika ny 11 martsa teo ka nitorian’ny foiben’ny fiangonana METM ny pasitera ao an-toerana,

 Alain De Neri Andrianantenaina noho ny resaka fanodinkodinam-bolan’ny sekoly eo ambany fiadidian’ity fiangonana ity sy resaka fandratrana olona dia tsy nilefitra nanoloana ireo fanapahan-kevitra ireo ny fokonolona eny an-toerana. Nanamafy moa omaly ny solontenan’ireo fokonolona miisa 600 izay nanao sonia ny tsy fanekena ny fanakatonana ny fiangonana sy ny fanalana ny mpitandrina ao an-toerana fa dia miandrandra ilay rafitra ivondronan’ny komity maromaro ao anaty METM na ny Soba komity mba handinika tsara ny raharaha sy hamoaka didy ara-drariny mba tsy hampiakaran’izy ireo izany any amin’ny fitsarana. Nohamafisin’izy ireo fa na ny prefe aza efa nampiantso ireo ankolafin-kery rehetra hifampiraharaha ny 24 aprily teo saingy ny foibe irery no tsy tonga. Efa eo an-tanan’ny fiangonana ihany koa ny tatitry ny mpanadihady ny resaka fitantanam-bola (Expert comptable) nahazo fankatoavana avy amin’ny prefektiora hanamarinana izay tena nanodinkodina marina. Ny zoma izao moa dia hamaky bantsilana izany ireo tompon’andraikitra mandra-piandry ny valim-pitsarana amin’ny 28 mey izao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT