Finoana

Raharaha METM Hitory ny fokonolona


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Nanda tsy handray ireo taratasy fitarainana sy fitoriana nalefan’ireo mpandray fanasan’ny Tompo ao amin’ny METM Zoara Antohomadinika sy ny fokonolona ao an-toerana ilay rafitra farany nanankinana izany na ilay Soba komity.

 Hiroso amin’ny dingana avoavo kokoa ireo mpino sy fokonolona. Izay no nampahafantarina omaly tetsy Ambatobe mikasika ny raharaha fikatonan’ity fiangonan’ny misionera evanjelikan’ny teratany eto Madagasikara ity. Tsy ekena ny fampiatoana ny mpitandrina, Alain de Neri Andrianantenaina, amin’ny asany ary hakarina fitsarana ny raharaha, raha ny fampitam-baovao. Notsiahivina moa fa efa eo am-pelantanan’ireo fokonolona sy mpino ny porofo fa tsy ny mpitandrina no nanodinkodim-bola. Mangataka ny hanalana ny METM Zoara Antohomadinika ao anatin’ny METM foibe koa ireo fokonolona rehefa tsy misy azo ifanarahana satria dia manasoa ny fiarahamonina eny an-toerana ny fiangonana sady nampihena ireo tontakely, hoy izy ireo.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT