Finoana

Raharaha Kohen Rivolala Mitady hivadika adim-pinoana


  • Talata 26 Janoary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly taorian’ny didim-pitsarana nivoaka managadra an’i Kohen Rivolala 12 volana an-tranomaizina sazy mihatra ireo mpiara-mivavaka sy mpiray fikambanana aminy ao anatin’ny Hebraika Jodaisma Mesianika.

 

 Nambaran’izy ireo fa fanimbana an’i Kohen Rivolala sy fanapotehana azy tsotra izao ny fisian’iny  raharaha nitranga tany Miandrivazo iny, indrindra  taorian’ny nahafantaran’ny maro fa hilatsaka ho filoham-pirenena izy ny taona 2018 ho avy izao. Ry mompera, manana sekoly ao Miandrivazo nisy ireo ankizy maro tratran’ny ambalavelona no notondroin’izy ireo ho  fositra. Raha araka ny fanazavany mantsy dia tsy rano avy amin’i Kohen Rivolala velively no nafafy tao amin’ilay sekoly raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpampianatra iray tao amin’ity sekoly ity fa avy tamina mpimasy iray antsoina hoe : Razafy izay mpiara-miasa akaiky amin’ny mompera.  Tsy nohenoin’ny fitsarana anefa izany, hoy izy  ireo, fitsarana izay nomarihiny fa niasa tao anatin’ny horohoro sy teritery ihany koa ka tsy nomen’izy ireo tsiny. Mikasika ilay ankizy voalaza fa nihetsika devoly noraisin-teny dia nambaran’izy ireo fa devoly no nampiteny azy ka tsy tokony horaisiny, nampiany hoe : taiza tamin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara no misy lalàna hahafahana manenjika olona amina hampitenenin’ny devoly ?. Mitady hivadika ho adim-pinoana indray, araka izany, ity raharaha ity  izay hifanandrinan’ny fiangonana katolika sy ny fiangonana Hebraika Jodaisma Messianika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT