Finoana

Raharaha FPVM Anio no hatolotra ny fampanovana ireo olona enina


  • Talata 04 Janoary 2011

Olona enina, isan’izany i «Karàna», no efa eo am-pelan-tanan’ny zandary ao Betongolo hatramin’ny omaly.

Izy ireo no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanapariahana ilay horonan-tsary mamoafady tao amin’ny fiangonana FPVM. Efa isan’ny tazomina ihany koa amin’izao fotoana izao ilay lehilahy mpandray anjara fototra tamin’ity raharaha ity. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia nisy nikasa ny ain’io farany nandritry ny fisamborana azy. Dimy lahy izy ireo ka raha tsy tonga ny mpitandro ny filaminana hisambotra azy dia inoana marina fa efa namoy ny ainy io lehilahy io. Tsy ela arak’izany dia efa azo avokoa ireo ahiana ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Raha araka ny vaovao azo dia tokony anio no hatolotra etsy Anosy ireo voampanga. Faran’izay haingana mantsy ny fanadihadiana ary tsy niandrasana ela dia efa vonona ny hatolotra eny amin’ny fitsarana ireo olona. Na izany aza dia mbola misy ny olona hosamborina, raha araka ny mpitandro ny filaminana ihany. Tantara mitohy arak’izany ity raharaha ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT