Finoana

Raharaha FPVM Andrasana ny fanambaran’ny mpitari-piangonana


  • Talata 28 Desambra 2010

Mitodika tanteraka any amin’ny horonantsary mamoafady izay natao tao amin’ny eglizy FPVM ankehitriny ny sain’ny mpanara-baovao. Misamboaravoara be ihany ny vaovao azo noho ny tsy fisian’ny fanazavna ofisialy, hatramin’ny omaly.

Nisy tamin’ireo akaiky ny fiangonana no nilaza fa tena tao amin’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano no nanaovana iny horonantsary iny. Nisy koa anefa no nilaza fa any an-toeran-kafa no natao izany. Na izany aza anefa, ny fisian’ny fitoriana nipetraka eny amin’ny fitsarana izay nataon’ny fiangonana dia efa manamarina fa tao tokoa no natao iny toe-javatra mamoafady iny. Anisan’ny toe-javatra mahatalanjona ihany koa dia ny fijoroan’ilay lehilahy nilaza fa mpamoaka devoly ho vavolombelona. Tsy tahotra tsy henatra mihitsy fa tena sahy izy ny manazava hoe tena ireny mihitsy ny fomba fanaovany ny asany dia ny fanalana devoly izany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiangonana.

Efa nanomboka tamin’ny 23 desambra no nipetraka ny fitoriana momba ity raharaha ity ary mazava ho azy fa naloha izay no nanaovana ny fanodinana ny horonantsary. Ny volana aprily raha araka ny tsiliantsofina re. Iza no tena tomponandraikitra ? Iza ihany koa no naka ny sary ? Moa ve tena olon’ny FPVM tokoa ilay mpanala devoly ? Inona ihany koa ny tanjona tamin’ny famoahana ny horonantsary izay namidy sy nalefa teny amin’ny tranonkala ? Andrasan’ny maro ny fanambarana sy ny fanazavan’ny FPVM momba ity raharaha ity.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT