Finoana

Raharaha FIGN Hotsaraina anio ny pasitera Valisoa


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Hiakatra fitsarana eny Anosy anio alatsinainy 31 mey Rafanonerantsoa Valisoa, Mpitandrina FJKM sady filohan’ny STK Foibe.

Anio no hanadihadiana lalina azy mikasika ny raharaha FIGN. Iray amin’ireo olona miisa 49 voarohirohy amin’iny raharaha FIGN iny ny pasitera Valisoa. Ny alakamisy 20 mey ity mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no nosamborin’ny Emmo-Reg avy hatrany raha nandeha an-tsitrapo hifampiraharaha tamin’ireo miaramila ireo rehefa nisy ny fifampitifirana teo amin’ny FIGN an-daniny sy ny Emmo-Reg sy ny FIS an-kilany. Natambatry ny fitsarana dosie iray ireo olona miisa 49 voarohirohy tamin’iny raharaha FIGN iny. Iray dosie, araka izany, ny kolonely Raymond sy ny Pasitera Valisoa. Tifiditra ao anatin’izany ny mpitarika miisa valo ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana sy mpanao politika maromaro indrindra izay teny Fort Duchesne tamin’io alakamisy 20 mey io. Mitovy avokoa dia, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny, vono olona ary fanentanana olona hikomy no vesatra anenjehana azy ireo.

Tsaboina ao amin’ny HJRA hatramin’ny zoma lasa teo ny pasitera Valisoa Rafanonerantsoa noho ny ratra mahazo azy. Niharan’ny daroka sy fandratrana samihafa ny tenany nandritra ny fotoana nisamboran’ireo nataon’ny miaramilam-panjakana azy.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT