Finoana

Raharaha Fiangonana METM Hiakatra fampanoavana anio


  • Zoma 15 Novambra 2019

Miakatra fampanoavana anio etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny Pasitera ao amin’ny fiangonana FMKA Antohomadinika na Fiangonana mahaleotena karmela Ankorondrano, sampana Antohomadinika.

 

 

 Raha tsiahivina dia tohin’ilay raharaha METM tamin’ny taon-dasa izy ity. Araka ny fanazavan’ireo mpanaradia ity pasitera ity dia tsy neken’ny foibe METM tamin’izany fotoana ny fitakiana mangarahara nataon’ny pasiteran’izy ireo mikasika ny fitantanam-bolan’ny sekoly ao amin’ity fiangonana METM tetsy Antohomadinika ity ka nesorina tamin’ny toerany koa ilay pasitera. Tsy nanaiky ny mpino ka nikorontana ary nidiana vonjimaika ny fiangonana ny 16 martsa 2018 ka ny desambra 2018 no afaka nisokatra indray. Nisintaka tamin’ny METM ity fiangonana ity taty aoriana  ka niditra amin’ny fiangonana mahaleotena karmela Ankorondrano na FMKA ary nahazo ny taratasy ara-dalàna na “récépissé” tamin’ny distrika ny 12 martsa 2019. Misoratra amin’ny fiangonana protestanta Antohomadinika ny tany, hoy ireo mpiaradia amin’ity pasitera ity, ka tsy tokony hidiran’ny METM intsony. Mety hitohy, araka izany, ny hetsik’izy ireo, raha tsy mahafa-po ireto mpino ireto ny voka-pitsarana.

J Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT