Finoana

Radio Vaovao Mahasoa Hanamafy hatrany ny fitoriana ny filazantsara


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Hanamafy ny fitoriana ny filazantsara hiantsorohany ny Radio Vaovao Mahasoa naorin’ny mpanompovavin’Andriamanitra Marthe Hervée.

  Ny sabotsy teo no nanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ity radio ara-pilazantsara iray ity izay marihina fa efa nahangona ondry marobe tsy tambo isaina tokoa, tamin’ny alalan’ireo karazana fandaharana narosony ho an’ny mpihaino. Vao mainka hihamafy hatrany ny fitoriana ny filazantsara ao anatin’ny 20 taona ho avy. Anisan’ny lohahevitra noraisin’ity mpanompon’Andriamanitra iray ity mantsy ny voasoratra ao amin’ny Lioka 4 : 43 sy ny I Korintianina 9-16 b manao hoe :  « Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly  amin’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho ». Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nentina nanamarihana izany teny Ankasina,  narahin’ilay hetsika Radio Vaovao Mahasoa an-tsehatra nentina nampahafantarana ireo mpanolotra fandaharana rehetra ao aminy. Toraka izany koa ny rindran-kira lehibe niarahana tamina mpanakanto maro samihafa izay samy nentina nanomeazam-boninahitra an’Andriamanitra avokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT