Finoana

RADIO FM FOI Hitory ny filazantsara amin’ny fiteny vahiny marobe indray


  • Talata 09 Janoary 2018

Hitory ny fahamarinana hatrany ny Radio FM Foi ato anatin’ny 20 taona ho avy hahafahana manavotra fanahin’olona maro.

  Hitory izany amin’ny teny Frantsay, Espagnol ary Anglisy ireo mpikambana ao aminy aty amin’ny ranomasimbe Indiana, fanamby goavana ihany raha araka ny fanazavan’ny Apostoly Benjamina saingy tsy maintsy vita toy ny olona iray sy roa nanombohany ny fiangonana tamin’ny fotoan’androny, hoy izy. Ankehitriny, efa mahatratra 180  isa ireo ivontoerana misy azy ireo manerana ny Nosy raha eto Antananarivo sy any Antsirabe ary Toamasina no efa tratran’ny Radio. Ezahina ho tonga hatrany Mahajanga sy Fianarantsoa ary Antsiranana izany ato ho ato hahazoan’ny rehetra mandre azy ireo. Nivoitra izany nandritra ny fivoriana notanterahin’ny mpikambana tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no sady nanambaran’izy ireo ireo karazam-baovao misy eo amin’ny Apostoly Benjamina sy ny FM FOI ihany koa. Ho an’ny Apostoly manokana dia notsiahiviny fa tsy manana olana amin’ny raharaham-pitsarana intsony ny tenany taorian’ny nanenjehana azy mikasika ilay ady tany teny Fenoarivo. Ny fitsarana mihitsy no efa namoaka didy fa afaka madiodio ny tenako, ho izy. Mikasika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ity taona ity indray dia nanambara ny Apostoly Benjamina fa tsy natsoina hanao politika ny tenany fa ho Apostoly ka tsy mieritreritra ny hilatsaka. Mankalaza ny faha-20 taona niorenany amin’izao fotoana izao ny  Radio FM FOI.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT