Finoana

Radio Fanambarana Trano rihana 4 no tsangambaton’ny faha-25 taona


  • Alarobia 08 Jona 2022

Feno 25 taona katroka tamin’ity taona 2022 ity ny Radio Fanambarana na ny RFA, radio ara-pilazantsara anisan’ny manana ny toerany eto amintsika.

Ny taona 1987 izy no niorina voalohany ka ankoatra ny fitoriana ny filazantsara dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety ihany koa izy ireo. Mpanao gazety maro no efa nivoaka tato aminay hoy Raphanoel Andriambolanoro Harinivo, talen’ny RFA. Anisan’ny mampiavaka azy ireo mantsy raha araka ny fanazavany ny fanomezany fiofanana ireo mpiasa ao aminy, tsy nitadiavany tolo-tanana avy any ivelany. Anisan’izany ireo mpamokatra fandaharana. Eo koa ny teknisiana ankoatra ireo mpanentana sy mpanao gazety. Vavaka lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fankalazana tetsy Antsahamanitra ny faran’ny herinandro teo izay haharitra herintaona. Trano lehibe vaovao sady manara-penitra natokana ho an’ny RFA ahitana rihina 4 no tsangambaton’ity faha-25 taona niorenan’ny RFA ity. Raha tsiahivina dia efa naseho ho hitan’ny rehetra tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara tamin’ny 11 septambra taona 2021 lasa teo ny maketin’ity trano vaovaon’ny RFA ity izay naorina eny Ankaditapaka Atsimondrova.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT