Finoana

Rabariarivo Mamonjisoa 25 taona nitandremana teo anivon’ny Fjkm Ambohimiandra


  • Zoma 29 Janoary 2016

Feno 25 taona katroka ny nitandreman-dRabariarivo Mamonjisoa teo anivon’ny Fjkm Ambohimiandra, synodam-paritany Antananarivo Atsinanana raha 10 taona ny niarahany niasa tamin’ny fiangonana.

 

 Tsy handalo fotsiny izany ho an’ny fiangonana fa hankalazaina sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ny 31 janoary ho avy izao ary manomboka amin’ny 9 ora maraina dia  hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe  hanasana ny rehetra izy ireo, hiarahana amin’ny synodam-paritany atsinanana sy ny  fivondronan’ny FJKM eto Madagasikara.  Tsy hijanona hatreo ny fankalazana  satria hisy ihany koa ny hetsika hivondronan’ireo hery velona sy ny zanaka am-pielezana, ho fanamafisana orina ny komity mpikarakara. Hofaranana amin’ny  lanonana hiarahana amin’ireo olona nasaina ny lanonana, ho voninahitr’Andriamanitra. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo hasaina ireo fiangonana nolalovan’ny mpitandrina Rabariarivo Mamonjisoa hatramin’izay. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly, nampahafantatra izany.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT