Finoana

« PRIX JEUNES ESPOIRS » Vonona ny hiaro ny voninahitr’ i Madagasikara izy 4 mianadahy


  • Zoma 30 Desambra 2022

Vonona ny hiaro ny voninahitr’i Madagasikara hatramin’ny farany izy 4 mianadahy nandrombaka ny amboara

tamin’ny fifaninana Prix jeunes espoirs, nokarakarain’ny Vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Raha tsiahivina kely dia hisehatra tanteraka ao anatin’ny asa fandraharaharaha izy ireo ho fanomezan-danja ireo tanora vao misandratra no sady hampiroboroboana ny toe-karem-pirenena ihany koa. Andiany fahadimin’ny « Prix Pierre Castel » izy ireo raha ny orinasa Ny Ako avy any amin’ny faritra Vakinankaratra kosa no voafidy nisolo tena an’i Madagasikara raha tsiahivina izay tantanan’Atoa Herilalaina Olivier Andriantsoa. Misehatra amin’ny fambolena masom-boly sy ny famokarana vilona ho an’ny omby vavy be ronono moa izy ireo taorian’ny fampiofanana mikasika ny fandraharana tao amin’ny « l’Ecole Supérieure d’Agronomie, Yamoussoukro », Côte d’Ivoire azon’ny tompon’ny orinasa niampy fanohanana ara-bola mitentina 1 650 euros ihany koa. Manohana akaiky ny mpandraharaha Malagasy tahaka izany ny orinasa Star ho fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT