Finoana

Pr Assoumacou Elia Béatrice « Tsy tokony hampisara-bazana ny finoana »


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Ao anatin'ny fankalazana ny "Iftar" na ny volana ramadany, nanatanteraka fiaraha-misakafo niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony sy diplaomaty ary solontena avy amin’ny fivavahana samihafa eto Madagasikara

ny Filohan’ny Filankevi-paritry ny Vondrona Khoja, Sheikh Haniphe Akbaraly, ny Sabotsy 16 Aprily 2022 tetsy Ambodivona. Anisany nanatrika izany ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice. Nandritra ny fandraisany fitenena dia nanao antso avo ho an’ny firaisankinam-pirenena sy ny firaisankina ara-tsosialy ny minisitra. Niarahaba sy ny nirarisoa ho an'ireo mpino kristianina rehetra ihany koa izy nahatratra ny fetin'ny Paska. Naneho ny tenany fa ny volana ramadany na koa hoe volan’ny korano, dia volan’ny firaisan-kiana, fiarahalahiana, ary ny fifandeferana. Manome herijika lehibe hifamelana heloka, hahazoana fitahiana, ka nankasitraha ny fanasana azy niatrika ny lanonan-dehibe. Ao anatin’ny fiarahamonin’ny fizarazarana manimba tsikelikely ny firaisan-kiana, notsipihiny fa ilaina ny fiarahamonina tsy misy rahoraho satria any ambadiky ny finoana sy ny fizarazarana ara-poko, ny firehan-kevitra politika, dia iray ihany isika eto anivon’ny tontolo. Firenena miady andro aman’alina ho an’ny soan’ny vahoaka isika, miray hina amin’ny ady amin’ny fahantrana ny governemanta ka tokony ho ao anatin’ny fifanajana na inona na inona finoana sy firehan-kevitra, hoy ny fanehoan-keviny. Notsipihiny fa na ny paska na ny ramadany, dia herijika lehibe ho an’ny rehetra hahazoana ny fitahiana, ka nirariany soa ny rehetra na inona na inona finoana sy firehen-keviny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT