Finoana

Potika ny firenena Manetsika ny olony ny fiangonana


  • Zoma 09 Martsa 2018

Nanao tsindro-paingotra noho ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, fanaovana ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana,… ny fiangonana tamin’ny alalan’ny FFKM saingy tsy masin-teny sy tsy mba henoin’ny mpitondra.

Nandeha tsirairay indray, ka nanao fanairana sy namotsipotsitra ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana), saingy nosoketaina ho ambodia mitafy hodi-janak’ondry aza. Efa niantso ny mpino tsy ho menatra manao politika ny fiangonana FJKM eo anatrehan’ny raharaham-pirenena, ary niantso fa tsy tokony hifanenjika sy hifanagadra ny samy zanaky ny fiangonana, saingy ny mifanohitra amin’izay no misy. Efa maro ihany koa ny fanairana nataon’ny FLM, saingy tsy noraharahian’ny fanjakana. Hitohy hamory sy hanetsika ny olony manana ny maha izy azy na ireo antsoina hoe “elites” misehatra amin’ny, politika, fandraharahana,… ny eo anivon’ny fiangonana FLM rahampitso 10 martsa, ka tsy hivaovana amin’ny raharaham-piangonana sy ny firenena ny resaka. Mbola hanao tahaka izany ihany koa ny FJKM. Ny fiangonana katolika moa dia efa hatry ny ela niteny sy nanaitra, saingy toa natsangan’ny fanjakana ho fahavalo, raha tsy hilaza afa tsy ny tamin’ny raharaha Soamahamanina. Heverina ny hisian’ny hetsika na fanairana ataon’ny fiangonana manoloana ny zava-misy atsy ho atsy. Vao mainka mampihombo ny hantsana manasaraka ny fiangonana sy ny fanjakana ny tsy fahafehezana ny vidim-piainana sy ny fahasahiranam-bahoaka, kanefa dia mbola ny antsojay politika ihany no laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana. Etsy an-daniny, tofoka amin’ny afitsoky ny fanjakana ihany koa ny mpandraharaha na Malagasy na vahiny. Ny mpandraharaha sinoa sasany aza moa voalaza fa leon’ny fitakiam-bola tsy ara-drariny, ka mangoron’entana sy miandry fanjakana vaovao voafidy vao hiverina eto. Ny firaisamonim-pirenena, anisan’ny tena henoin’ny sehatra iraisam-pirenena teny, dia tsy sasatry ny manaitra sy mamaky bantsilana ny tsy mety eto, fa aleo hiteny izay hiteny, hoy ny HVM. Antsojay sy sotasota ara-politika mba hifikirana amin’ny fahefana no zava-dehibe, kanefa iaraha-mahita fa tsy vitan’ny HVM irery ny mampandroso an’i Madagasikara. Atao sorona noho ny fitiavan-tseza sy fahefana ny firenena !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT