Mikorontana ny firenena ankehitriny ary ahiana mihitsy ny ady saritaka atsy ho atsy raha izao no mitohy.
Tsy misy arofanina intsony fa mandeha ny kajikajy maloto politika isan-karazany, mifanejevo ny mpanao politika, sesilany ny resaka kolikoly avo lenta. Manomboka feno ny fepetra rehetra hisian’ny korontana sy ny savorovoro noho ny tsy fifampihainoana sy ny karazana didiko fe lehibe ka ilana ny hery lehibe afaka ny hanelanelana sy hijoro ho arofanina. Izao no fotoana ilana ny FFKM, saingy tsikaritra ho mbola mangingina aloha izy ireo ankehitriny. Miandry ny fivorian’ny K3F (Komitin'ny Fahamarinana sy ny Fandriampahalemana ary ny Fiadanana) eo anivon’ny fiangonana katolika ny 17-18 aprily izao ve vao hanao fanambarana ? Efa niaraha-nahita sy naheno rahateo ny fanambarana lehibe isan-karazany nandeha tsirairay nataon’ny mpikambana sasany ao anatin’ity vovonana lehibe eto amin’ny firenena ity, saingy toa tsy nisy nihaino. Amin’ny ankampobeny, zanaky ny fiangonana avokoa ny ankamaroan’ireo olobe ara-politika mifanjevo eto amin’ny firenena. Somary efa manome endrika tandindona aza indraindray hoe ny mpanao politika izatsy na izaroa dia mety hiantehitra amin’ny vaton’ny mpiangona ao anatin’ny fiangonan-dehibe iray amin’ny fifidianana, ary tsy azo lavina ny fisian’izany. Ny mpanao politika sasany aza moa mahavita misandoka sy te hisolotena ny anaran’ny fiangonana sy ny mpino manontolo, tahaka ilay niseho tamina fandaharana tamin’ny fahitalavitra hoe : “izahay katolika dia manohana anao”. Na izany na tsy izany, dia malalaka ny mpino amin’ny ankapobeny amin’ny fanaovana politika, ary ny filohan’ny FJKM Ami Irako Andriamahazosoa aza, dia nilaza hoe : “sahia manao politika”. Potehin’ny mpanao politika anefa ny firenena, ka andrasana ny mety ho fanambarana na fandraisana andraikitra ataon’ny FFKM eo anatrehan’ny zava-misy. Ankoatra ny fiangonana dia ny tafika no tena arofanina farany, saingy toa sarotra aloha ny hisian’ny fandraisan’andraikitra mafonja avy amin’izy ireo sy ny mason-tsivana hoe rehefa tahaka ny ahoana no hijoro sy haneho fa tsy miandany na amin’iza na amin’iza ary tsy atao fitaovana politika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.