Finoana

Pastora Ted N. Wilson Nitsidika sy nampahery ireo mpino Advantista


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Tao anatin’ny hafaliana sy ny haravoana tanteraka no nandraisan’ireo mpino Advantista mitandrina ny andro faha-7, Faritany Antananarivo sy Toamasina teo aloha mivondrona ao amin’ny Federasionan’ny Fiangonana Advantista Madagasikara Afovoany ny fandalovan’ny Filohan’ny Fiangonana Advantista maneran-tany, Pastora Ted N. Wilson nitsidika sy nampahery am-bavaka azy ireo ny sabotsy 07 mey teo.

 Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nameno ny fihaonan’ny roa tonta tao amin’ny Gradin III Vatolampy Mampiray Soamanandrariny tamin’io, natrehin’ireo mpino Advantista an’aliny, avy amin’ny fiangonana manodidina sy ireo mivondrona ao amin’ny federasiona. Filohan’ny fiangonana Advantista maneran-tany faha-20 ny pasitora Ted N. Wilson, araka ny fanadihadiana natao. Taona voalohany hanombohany ny asa ity taona 2011 ity taorian’ny nahavoafidy azy. Ny Alakamisy 05 mey lasa teo no nigadona teto Madagasikara ity mpanompon’Andriamanitra ity nombam-bady aman-janaka. Efa nihaona tamin’ireo mpino Advantista tany Sambava sy Mahajanga, ho any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny tenany taorian’ny fahatongavany. Tao Soamanandrariny Antananarivo no toerana fahatelo notsidihiny raha tao Fianarantsoa sy Antsirabe no nanohizany ny diany omaly. Anio no hanainga hihazo ny Nosy La Réunion sy Maurice ary Seychelle ity Filohan’ny Fiangonana Advantista maneran-tany ity, fitsidihana tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra manerana ireo federasiona ao amin’ny Union de l’Eglise de l’Océan Indien tontosainy. Niompana tamin’ny fampaherezana sy ny famelomana indray ny fanantenan’ny mpino ny tenin’Andriamanitra nentin’ny Pastora Ted N Wilson tamin’izany narahin’ny fanentanana mikasika ny tokony hanohizana hatrany ny asa fitoriana ny filazantsara.

 
Pati
 

sary : Pastora Ted N. Wilson, Filohan’ny Fiangonana Advantista mitandrina ny andro faha-7 maneran-tany, tetsy Soamanandrariny ny sabotsy 07 may teo;

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT