Finoana

Pastora Randrianaivo Charles Eloi “Tsy izy izay mpitondra fivavahana mitady ny fanjakana ety an-tany”


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Vanim-potoana hahafahan’ny mpino Rhema Alaotra Mangoro mifety sy miravo ny Fetibe Kristianina.

 Niditra tamin’ny andiany fahafito ny hetsika tamin’ity taona ity. Ankoatra ny fizarana ny teny soratra masina dia manamarika manokana ny Fetibe Kristianina ny fanehoana hita maso ny asa mahagaga nataon’ny Kristy amin’ny alalan’ny fanasitranana ny marary. Ambohipihaonana ho an’ireo mpino kristianina ao amin’ny fiangonana Rhema manerana ny Faritra Alaotra Mangoro ny renivohitra Ambatondrazaka nandritra ny hefarana. Nivoitra tamin’ ny toriteny nentin’ny pastora Randrianaivo Charles Eloi fa “zava-poana ihany ny fanjakana ety an-tany satria mbola ho levona izany any amparany any”.

Ny fikatsahana ny fanjakana any an-danitra hoy izy no homanina ety an-tany koa tsy izy izay mpitondra fivavahana mitady ny fanjakana ety an-tany. Nanafana ny fotoana rehetra ny mpanakanto ara-pilazantsara avy ao amin’ny fiangonana Rhema ary tonga nanome voninahitra ny fotoana ny mpitondra fanjakana izay nahitana ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny avy ao amin’ny Distrika Ambatondrazaka ary ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka ambonivohitra Andriamanirison Jacques. Vahiny ara-pinoan’ny fiangonana Rhema Alaotra Mangoro nandritra ny hefarana ny Prophet Fanekena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT