Finoana

Pastora Rakotonirina David Voafidy ho filohan’ny FLM


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Voafidy omaly tao Antsirabe, taorian’ny fifidianana in’efatra miantoana notanterahin’ny komitin’ny sinaoda lehibe, ny filoha vaovaon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).

 

 Voafidy tamin’izany i Dr Pastora Rakotonirina David, filohan’ny Sinodam-paritany Antananarivo nahazo vato 245, tamin’ny fihodinana fahefatra sady tsotsorimamba. Rehefa tonga eto dia izay be vato no no filoha. Nahazo vato 223 kosa i Dr Pastora Lotera Fabien, Sojaben’ny Fakiolten’ny Teolojia ao Fianarantsoa, nifaninana farany taminy. Nafampana ny fifidianana saingy tontosa ihany. Samy nahazo vato 233 ny roa tonta taorian’ny fihodinana fahatelo. Niisa dimy ireo kandida teo am-piandohana. Roa ampahatelon’ny vato no takiana vao voafidy mivantana. Niisa 466 ireo mpifidy vaventy nandatsa-bato tamin’ity. Tsy nisy nahatratra izany izy ireo dia ny Sojaben’ny fakiolten’ny teôlôjia ao Ivory Avaratra Fianarantsoa Dr Pastora Lotera Fabien (214), ny filohan’ny sinodam-paritanin'Antananarivo Dr Pastora Rakotonirina David (185), ny filohan’ny sinodam-paritany Afovoany, Dr Pastora Randrianirina Dieu Donné (65), ny Tonia nasionalin’ny FLM Dr Pastora Samoela Georges (1) ary Dr Pastora Georges (1). Ireo kandida telo voalohany be vato indrindra no niatrika ny fihodinana faharoa, saingy tsy nisy nahatratra ny fetr’isa notakiana ihany koa. Dr Pastora Lotera Fabien (222), Dr Pastora Rakotonirina David (207) ary Dr Pastora Randrianirina Dieu Donné (38). Dr Pastora Rakotonirina David izany no handimby toerana an’i Dr Pastora Rakoto Endor Modeste, hitantana mandritra ny efa-taona ny Fiangonana Loterana Malagasy. Manana ny filamatra : "Tsy miatrika ny efa eo ihany fa mijery lavitra", ny tenany ary ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy 12: 3b : "Ary aminao no hitoriana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" no teny fanevany. Nitohy tamin’ny fifidianana ireo mambra ny birao ny fifidianana dia ny Filoha lefitra, ny Tonia sy ny lefiny ary ny mpitahiry vola.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT